Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy

Calendrier

[FPMA Grenoble] Chaîne de prière - Alimbavaka Mpitandrina Matihanina
"Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.''
(Filipiana 4: 6)

"Toy izany koa no nandidian’ny Tompo, fa izay mitory ny Filazantsara
dia hahazo fivelomana amin’ny Filazantsara"
(1 Kor 9: 14)


Manohy ny fotoambavaka isankerinandro napetraka eto amin’ny Tafo isika. Koa manentana ny rehetra tsy ankanavaka amin’ny fitondrana ambavaka manokana ny fametrahana indray ny mpitandrina matihanina eto amin’ny Tafo FPMA Grenoble ary ho an’ny fianam-piangonana amin’ny ankapobeny.

Hiaraka amintsika ny Mpitandrina Mpandrindra vaovao: Pst Falimanana RAHARINDRANTO.

Alimbavaka (ConfCall)

Numero: 04 58 00 18 77
Code: 38000

Mirary soa ho tahian’ny Tompo.
Lieu ConfCall