Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy

  « Izaho no fananganana ny maty, sy fiainana ;
izay mino Ahy na maty aza  ho velona indray
 

Miarahaba amim-pitiavana  anareo rehetra izahay SVK Grenoble,

Amin’izao nahatrarana ny Paska izao  dia miara-paly aminareo  fa moa va tsy fahasoavana lehibe ho antsika ny nitsanganan’i Jesosy,  maty nefa nandresy ny fahafatesana. Fa hoy mantsy Izy hoe :

Izaho no fananganana ny maty, sy fianana ;izay mino Ahy na maty aza  ho velona indray”

Rehefa tonga ny andro Paska, dia ny teny hoe maty sy velona no heno matetika na eo amin’ny toriteny .
Tamin’ ity PASKA 2017 ity, izahay SVK Grenoble dia nisafidy ny hira hoe    “Whorty is the lamb”   “Digne est l’Agneau” ho mari-pisaorana an’i Jesosy  maty ho antsika..
Maty Jesosy : iza taminstika  no  nitraka moramora rehefa namoy havan-tiana, satria faran’izay fitsapana ny finoana ny fahafatesana.
Velona Jesosy : iza taminstika no tsy ho falifaly rehefa mifankahita amin’ny havan-tiana, satria faran’izay fiadanantsaina ny fahavelomana.

Noho izany, mety hilaina ve ny fahafatesana mba hivelomana indray ??? ’izao Paska izao no tsara hametrahana izany fanontaniana izany ry Rahavavy malala isany satria ny andro Paska dia fandresena ho ahy sy ho anao.
Manarak'izany dia mikarakara hetsika ny SVK amin'ny asabotsy  20 Mai 2017 koa manentana anareo ho tonga hanotrona anay

Mandra-pihaona daholo eo ambany fitahin’I Jesosy 


ZAIKAM-PARITRA SVK FAtsAts (RRSVK):FIHAONANA  FAHAENINA

15-16-17 Septambra 2017
Centre de vacances La Bastide des Joncas
7 Chemin du Petit Mas – 13500 MARTIGUES

      
Ny lohahevitra hovoaboasana mandritra ny fihaonana
dia ny hoe :
    «KRISTIANA MIFANAIKY AO AMIN'NY KRISTY»

 

Hitanao eto ny Hetsika SVK 2015