Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy

Index de l'article

  
MAHATRATRA NY FAHA 40 TAONANY  
NY TAFO FPMA GRENOBLE
( 1980-2020)

Tamin' ny taona 1974, dia nanapa-kevitra ireo mpianatra malagasy vitsivitsy teto Grenoble fa hanao fiaraha-mivavaka amin' ny teny malagasy. Tsy mbola nijoro ho fiangonana  izy ireo tamin'izany, fa nantsoina hoe  "  fiaraha-mivavaky ny malagasy  eto Grenoble ". Niara-nivavaka tao avokoa na ny katolika, na ny protestanta FJKM, na ny Loterana.

Tamin'ny taona 1980 tokoa mantsy, rehefa tany amin'ny préfecture  ny fitsipi-panorenana (statut), dia nivoaka tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny gazetim-panjakàna frantsay, fa mijoro ara-dalàna ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy  dia ny  Tafo Grenoble, afohezina amin'ny hoe FPMA Grenoble.

Hafatry ny Apostoly Paoly no tiana apetraka amintsika:
" Mazotoa mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana " Efesiana 4:3

Teny Faneva nofidiana nahatratrarana ny faha 40 taona :
" FPMA Grenoble mandeha miendrika ny TOMPO " Kolosiana 1:10

  • Ara-tantara, dia tamin' ny ady lehibe faharoa, dia efa nisy ireo miaramila malagasy, izay naratra be notsaboina tamin'ny hopitaly teto Grenoble, no niara-nivavaka. Misy sary izay mirakitra izany vanim-potoana izany natolotr'i Pasteur LEJAL ny fiangonantsika.. I Pasteur LEJAL no mpitandrina am-perin'asa teto amin'ny Eglise réformée teto Grenoble tamin'izany fotoana izany. 
  • Taona vitsivitsy taorian' ny ady lehibe faharoa, dia efa nisy ireo malagasy izay nandranto fianarana teto Grenoble. Ny ankamaroan' izy ireny dia nitana andraikitra lehibe teo amin' ny fiainam-pirenena malagasy rehefa nahavita ny fianarany ka nody tany an-tanindrazana, toy ny minisitra, sekretera jeneraly tamin'ny ministera, lehiben'ny orin'asa toy ny EEM.
  • Manodidina ny taona 1970 dia niha  nitombo tsikelikely ny mpianatra malagasy teto Grenoble. Azo lazaina fa tia fivavahana ny malagasy, ary saika notezaina tamin' ny fivavahana kristiana avokoa.Hoy ny fitantaran'ity zoky ray aman-dreny iray: "  vitsy dia vitsy izahay tamin'izany, ka izahay mpiara-mivavaka tao dia sady mpiangona, no birao, no chorale, no mpanao fety ( kalon' ny fahiny, folklore) .
  • Talohan' ny taona 1980, dia nanomboka nanana fifandraisana tamin'ny birao nasionalin'ny FPMA ny mpiara-mivavaka malagasy teto Grenoble. Nisy koa ny hetaheta hanangana tafo FPMA teto Grenoble. Koa tamin'ny taona 1980, raha nivory teto Grenoble ny birao nasionalin'ny FPMA, dia nandray ary nanambara tamin'ny fomba ofisialy fa mijoro ny FPMA Grenoble.
  • Azo lazaina fa mbola vitsy dia vitsy ny tafo FPMA tamin'izany fotoana izany. Isaorana an'Andriamanitra lehibe ny zotom-po nomeny ny mpanompony izay nifandimby niandraikitra ny raharaham-piangonantsika. Misy amin'izy ireny no mbola eto amin'ny fiangonantsika, misy ireo izay efa nody any an-tanindrazana, na nifindra any amin' ny tanàna hafa aty Frantsa.

Eto am-pamaranana, dia tiana ny mampatsiahy antsika, fa ny Fiangonana  dia mijoro hitory ny filazantsara ho an'ny olona rehetra, ary hitaiza ny vahoakan'Andriamanitra. Asa lehibe izany, asan'Andriamanitra, asa masina, kanefa dia asa iantson'Andriamanitra antsika rehetra koa.