Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy

Nivory ny birao nandamina ny tetik’asa sy ny laminasa mandritra ny  enim-bolana  voalohany 2012 (Janoary  –Jolay 2012 ) ary  nandinika  ny fitsipika anatiny mifehy ny SVK Grenoble  izay nalaina tamin’ny  fitsipika anatiny ny Sampana Iraisana Vehivavy Kristiana FPMA ka ireto avy ny zava-kendren’ny SVK FIFANKATIAVANA :

1. Miaina sy mampihatra ny filazantsara amin’ny fanatanterahana ny asa voalazan’ny filazantsara izay mampiavaka ny vehivavy.

2. Manatanteraka ny adidy maha reny azy, amin’ny tanora sy ny ankizy ary ny fiangonana

3. Fitoriana ny filazantsara sy fitaizana ary fanabeazana ho vavolombelon’i kristy

4. Fitohizan’ny firaisankina sy mampiroborobo ny fifandraisana misy eo amin’ny SVK

Ao anatin’ny tetik’asa  dia nisy  ny étude biblique sy ny fanjairana lamba atao  am-piangonana  mifanaraka amin’ny loko  litorjika  isan’alahady  ( mena, fotsy, maintso, volomparasy)

Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany .

 

           

          
            De gauche à droite :

 Vice-Présidente : Bodo RAHARISON

Présidente : Brigitte RASOLOFONIAINA 
  
 Secrétaire : Mbolatiana DUVAL 
                      
 Trésorière : Saholy RALAY-RANAIVO